Voahirana (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iriko loatra ny mba hioty anao
Handravaka ilay tokantranoko ao,
Nefa dia noraisinao ho vazivazy,
Tsy mba  tianao ny voatery ao anaty vazy

Satrinao foana hiliba sy hilalao
afoavoan’ireo zay manindrahindra anao ;
mazava fa satrinao hitoetra irery
ho voadokadoka ary koa ho voajerijery

              Ry Voahirana ô !
              voninkazo dia
              Ry Voahirana ô !
              mpilalao fitia
       Mitandrema fa sao ianao dia sondrianana
      snbtl  mankafy raha safosafoin’ny riana

              Isan’andro izao,
              ireo voro-mandalo
              dia midera anao
              amin-kira sy kalo,
        ’reo zozoro sy ny herana koa
        dia mitsaoka sy miondrika aminao avokoa.

              Sao ianao
              mino ireo lokaloka,
              Sao ianao
              maka ireo dokadoka,
        sao ianao dia manaiky avy yvpjhsev hatrany
        ireo toky nomena an-tendron’ny molotra ihany !

  bntxr             Ry Voahirana  ô !
              hatsarao ny saina
              manahirana
           tononkira.serasera.org    anie ny miaina

       Ary ianao koa anie voninkazo
       any andro any volana dia tsy maintsy halazo.

             Henri RATSIMBAZAFY
                           1962

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125