Voahirana (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iriko loatra ny mba hioty anao
Handravaka ilay tokantranoko ao,
Nefa dia noraisinao ho vazivazy,
Tsy mba tianao ny voatery ao anaty vazy

Satrinao foana hiliba sy hilalao
afoavoan’ireo zay manindrahindra anao ;
mazava fa satrinao hitoetra irery
ho voadokadoka ary koa ho voajerijery

Ry Voahirana ô !
voninkazo dia
Ry Voahirana ô !
mpilalao fitia
Mitandrema fa sao ianao dia sondrianana
mankafy raha safosafoin’ny riana

Isan’andro izao,
ireo voro-mandalo
dia midera anao
amin-kira sy kalo,
’reo zozoro sy ny herana koa
dia mitsaoka sy miondrika aminao avokoa.

Sao ianao
mino ireo lokaloka,
Sao ianao
maka ireo dokadoka,
sao ianao dia manaiky avy hatrany
ireo toky nomena an-tendron’ny molotra ihany !

Ry Voahirana ô !
hatsarao ny saina
manahirana
anie ny miaina

Ary ianao koa anie voninkazo
any andro any volana dia tsy maintsy halazo.

Henri RATSIMBAZAFY
1962
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Henri Ratsimbazafy
Hits : 6199
Likes : 0 Like
Created by : Naly Randria
Date : 07/11/2003 12:00
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135