VELOMA ... DORIA (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref.: Veloma ry olona iray, izay tsy tia,
Veloma ho mandrakizay ho doria,
fa raha tanora ny any,
ny aty koa’zareo fotsy nify

Lehilahy:
Ianareo tovovavy mazàna
dia mora diso fanantenana
"vao ilaozan’ireo tovolahy
mitanondrika very fanahy." (bis)

Vehivavy:
Tsy izahay tsy akory no tsy tsara
fa izy ireo no efa tsy anjara,
Koa izahay tsy ho kivikivy foana re,
fa hainay ny mihira hoe:

Ref.:...

Vehivavy:
Ianareo lahy koa toy izany,
misy aza hono dia mitomany;
"vao ilaozan’ireo tovovavy
manjoretra mandraiky manavy." (bis)

Lehilahy:
Tsy izahay akory no tsy tsara...sns

Henri Ratsimbazafy(1971)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Vangy : 4039
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Naly Randria
Daty : 23/11/2001 22:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076