Ny tia tena tia (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Anaka,
Teo ianao dia nanontany
ny amin’izany hoe tia izany,
koa satria ianao moa tiako
dia tsy maintsy ho valiako.

Fantatro,
matetika ianareo tanora
mihevitra fa moramora
ka azo atao kitanitany
izany atao hoe tia izany
kanefa tena mbola zava-dalina
ka ilana saina malina.
Henoy ary fa ho lazaiko
izay mba takatry ny saiko.

NY TIA TENA TIA
dia mbola zava-tsarotra
fa tolotra doria
tsy misy adi-varotra

NY TIA TENA TIA
tsy maka fa manolotra,
kanefa sanatria
tsy hoe an-tendro molotra.

NY TIA TENA TIA
mamoy ny fahafahany
f’izany no sonia
sy fenitra arahany,

NY TIA TENA TIA
mandao ny fonenany
manaiky sy minia
mamatotra ny tenany.


Henri RATSIMBAZAFY 1968
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Vangy : 2829
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 24/02/2002 20:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0791