Nofinofy an - dakilasy (Henri Ratsimbazafy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 -An-dakilasy, ny fotoana miha-lava
toa tsy ho tapitra ny adiny iray,
Madama anefa mikiry manazava
toa tsy ekeny ilay kajy raha tsy hay.
Izaho kosa efa maika ny hirava
fa te-hihaona, hahita anao indray
2 -
Tsaroako isika rehefa miadiady,
toa tena tezitra, tofoka ery,
kanefa avy eo, tsy ela dia mifampitady
ka mifampiantso indray an-taroby,
’lay ady teo dia nanjavona sahady
fa mafy loatra ny herin’ny fitia.
Ref.
Ny endrikao mandravaka ny nofiko
mitsiky mora, mahate - ho tia,
ny feonao manako ao an-tsofiko
miangotingoty, miantso hoe : "avia "
Kanefa izao
tsy eo ianao.
Koa hira sisa tsy afaka ao ambavako,
’reo hirantsika mampahatsiahy anao,
ny dinantsika andrin’ny fitiavako
ka mampahery ahy hatramizao.
Henri Ratsimbazafy
26 - 7 - 91
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Henri RatsimbazafyVangy : 2556
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 22/02/2002 01:12