You are here: home > Tononkira > Henintsoamalala

Diso fanantenana (Henintsoamalala)

https://tononkira.serasera.org/hira/henintsoamalala/diso-fanantenana

Ny ao ambony, eny Izy irery ihany no mahafantatra
Hoe ilay tantarantsika dia tsy mba haharitra
Nifono misitery izay tsy takatry ny saina intsony
Fa dia izay no vita, ka aoka ny fo hitony

Bridge : Marary eny voaratra, vaky tokoa ity fo
Raha vao mieritreritra ireo zavabitantsika roa teo aloha
Manirery eny mitoreo tomany sisa no Tsiky dia ampytsy natao
Mafy dia mafy ny nisaraka taminao

Refrain : Fa tena tia tokoa, tokampo ihany koa
Tsy mba tao antsaina raha izao fisarahana izao
Fa tena tia tokoa, nanambara izay vetsom-po
Tena nankafy, fony teo anilanao

Samy tia izaho sy ianao, samy tsy te hifandao
Samy mba niandrandra izay mba maraina vaovao
Kinanjo voasompatra fa maro loatra ireo tsy tia

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Henintsoamalala
Mpamaky : 26
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : herimalaladina
Tamin'ny : 24/06/2020 15:17:50
ID : 12845

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo