NY TENINDRAZAKO (Groupe MANRESE)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NY TENINDRAZAKO1-Mamiko ianao ry tenindrazako,
Lalaiko tokoa fa lovan-drazako,
Avy aminao ny voalohan-teny
Nianarako nanonona an’i dada sy neny.
Fa sarobidy loatra ho ahy
‘Zany fibeazanay mianadahy,
Ka tsy hay adinoina velively
‘Lay teny mamy indrindra toa tantely.
2-Tontolo misampana izany fiainako
Fa teny maro no indray iainako,
Saingy tena tafalatsak’am-poko
Ilay tenindrazako tsy foiko.
Tiako loatra ianao ry teniko
Reharehako fa tsy afeniko,
Raha izaho no hanadino izany
Dia angamba hivadika ny tany.
Fiv : NY TENINDRAZAKO, IZAY AHOMBIAZAKO,
NO HANANDRATAKO NY TANINDRAZAKO.
NY TENINDRAZAKO, IZAY AHOMBIAZAKO,
NO ITORIAKO N’ VAOVAO MAHAFALY.
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Groupe MANRESEHits : 1880
Likes : 0 Like
Created by : gm10
Date : 06/01/2015 14:18