Ampidiro aloha ny tenimiafina
Mamindrà fo (Groupe évangéliste AZF)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Mamindrà fo amiko Andriamanitra oAraka ny fahasoavanao
Araka ny haben´ny fiantranao
Vonoy ny fahadisoako
Sasao madio aho mba ho afa-keloka
Diovy aho mba ho afa-pahotana
Refrain :
Fa tsaroako ny fahadisoako
Eo anatrehako mandrakariva ny fahotako
Taminao dia taminao ihany no nanotako
Izay ratsy eo imasonao no efa nataoko
2. Indro tamin´ny heloka no niterahana ahy
Fahotana no notorotoroina ahy ny ny reniko
Fahamarinana ao am-po no sitrakao
Fahendrena ao amin'ny miafina
No ampahafantarinao ahy
Refrain :
Diovy aho ho afa-pahotana dia hadio
Sasao aho dia ho fotsy mangatsakatsaka
Ampandreneso fifaliana aho sy faharavoravoana
Afeno ny tavanao ny fahotako
Ampandreneso fifaliana aho sy faharavoravoana
Vonoy ny heloko rehetra
A/C : RANDRIAMAMPIANINA Jean Clarel (Décembre 2020)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Groupe évangéliste AZFVangy : 16
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Toavininosy
Daty : 21/02/2026 21:39
