Atsimo sy avaratra (Green)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Famokarana fitaovam-piadiana avaratra
Mifampitifitra mifamono an-trano, ny aty atsimo
Dia varotra mandroso, harena mitombo tena lafatra
Aina fongan’ny maro sy tomany
Izany ve no setriny !!!
Fari-painana efa ambony dia ambony, ny avaratra
Fahantrana, hanoanana, hain-tany , no hita aty atsimo
Dia rindrim-be avo dia avo manasaraka ô
Tsy hay arodana toa vatolampy
Izany no fipetrany !!!!

Ref :
Nahoana no misy atsimo sy avaratra
Nahoana no misy atsimo sy avaratra
Nahoana no misy atsimo sy avaratra

fandrosoana ilasy etao avartra
akoran-javatra sy sandry asa no hita aty atsimo
tena varotra, fifanakalozana tanteraka ô
tsisy intsony angamba ireo
Fanjanahana !!

Ref :
Tsisy intsony ny atsimo sy avaratra
Tsisy intsony ny atsimo sy avaratra
Tsisy intsony ny atsimo sy avaratra

aaaa !!aaa !!aaaaa !!aaa !a !a !a !a !a !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Green
Vangy : 3215
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 17/05/2010 23:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0903