Ianao mahalala (GMMC)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na dia tsy ho haiko, na tsy ho takatry ny saiko aza
Izay rehetra nataonao ho ahy dia hatoky fa tsy handao
Na dia tsy ho fantatro na tsy ho azoko an-tsaina
Izay hitondranao ny fiainako dia mino aho Tompo oh !
F’Ianao mahalala izay mety ho ahy

Ka n’inona mety ahazo ahy dia tsy ataoko hampanahy
Tsy hanan - tahotra aho satria fantatro

Fa Ianao Tompo oh efa manao làlana ho ahy
Jesoa Ianao no efa mahafantatra izay mahatsara ahy
Ka aza avela aho ahalala izay anton’izany
Mino aho fa misy làlana efa nomaninao ho ahy

Na tsy ho tantiko, izay ady hatrehiko
Tompo oh tsy ataoko ahakivy ahy
Na tsy fantatro aza ny anton’izany
Satria mahatoky aho f’Ianao eo anilako eo
Hitantana ahy n’aiza n’aiza misy ahy
Miady ho ahy ka tsy misy ataoko hampanahy …

Ianao mahalala, Ianao mahalala
Izay rehetra mety ho ahy …

Ka tsy hiova aho, tsy hiala Aminao
Fa ahatoky Anao hatrany aho ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GMMC
Vangy : 2103
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : GMMC
Daty : 08/11/2019 19:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712