Ho anao io (GMMC)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesoa no miantso izao
Anao izay mihaino io
Moa vonona ianao
Hiara-dia aminy ho doria

K’aza variana sao
Hanenina ianao
Rehefa maty anie
Na makany an-danitra na afobe

Aza mangataka
Hoe aoka aloha na hoe rahampitso lava izao
Fa i Satana anie
Miandry anao ho kitozan’ny afobe

Fa hasambarana
No omen’ny Tompo ho an’izay mandray Azy
Fa i Jesoa anie
Miandry namana handova lanitra e!

Angamba hoy ianao
Be ny ota izay natao
Handray ahy ve Jesoa
Izaho maditra sy tsy mendrika koa

Tsarovy ilay jiolahy
Nohomboina tamin’ny hazo
Vao niaiky ny helony
Nihaona tamin’i Jesoa tam-Paradisa

Aza mangataka
Hoe aoka aloha na hoe rahampitso lava izao
Fa i Satana anie
Miandry anao ho kitozan’ny afobe

Fa hasambarana
No omen’ny Tompo ho an’izay mandray Azy
Fa i Jesoa anie
Miandry namana handova lanitra e!

Miandry anao............
Miandry anao Jesoa tia.....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GMMC
Vangy : 6297
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Lanah
Daty : 22/03/2007 09:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1297