Sambatra izay voafidy (Fihirana FFPM)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Sambatra izay voafidy
Ho mpiasanao
Ka hanohy ireo adidy
Izay natombokao
Ho mpitaiza ny fanahy
Toy ny vitanao
Ho mpiady tena sahy
Tarikao Jeso.

2 Dia mpiasa tsy an-tery
Marobe tokoa
Te-hitaona ny tanora
Sy ny zaza koa,
Tsy hifidy asa mora,
Fa ho mpankato.

3 lanao ry Jeso Tompo
No nampianatra
Ny olona mba hanompo
Tsy mitsahatra
Tsy handala ny talenta
Izay natolotrao
Fa ny aina re no fetra
Entina manao.

4 Nefa tsy matoky tena
Fa malemy moa,
Ka dia mila fahendrena
Mila hery koa;
Ho mpiasa mahavita
Izay anjara ety,
Mandra-pody ao am-pita Aminao ary.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fihirana FFPM
Vangy : 1496
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 16/04/2016 21:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719