Fanahy mivatravatra (Feon'ny Fitiavana Ampary)

fenoy ny fanahy masinao aho Jeso tia
ahaizako mamao izay rehetra sitrakao
toy 'lay narotsakao fony Hianao niala tety
ka nampahazo hery reo rehetra mino Anao

réf: toy izany koa no angatahiko
hitoetra sy anjaka
Ilay Fanahy mivatravatra
handrakotra tokoa
ny saina sy ny fo
ho feno ny aim-panahy
ho afak'ahiahy

kasionao Jesosy ô, ity foko kely ity
ahaizako mamela izay manisy ratsy ahy
hitiavako nyTsiky dia ampy namako, hiantrako ireo mania
mba hamerenan'azy indray ho ao aminao Kiristy

réf : dia toy izany koa no angatahiko
hitoetra sy anjaka
Ilay Fanahy mivatravatra
handrakotra tokoa
ny saina sy ny fo
ho feno ny aim-panahy
ho afak'ahiahy

ampahiratonao ry Ray ô
ity masoko ity
mba ahitako tsara ilay fahamarinanao
tsy iherikerika amin'ny ankavanana,ankavia
f'hibanjina tanteraka
ilay rà nalatsakao

réf in-2:dia toy izany ....

Mpihira : Feon'ny Fitiavana Ampary
Mpamaky : 127
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Missene Mianj's
Tamin'ny : 08/08/2022 08:46:02
ID : 14466

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo