Sambatra sy tretrika (Feon'ny Fitiavana Ampary)

Sambatra sy tretrika aho
Fa nofidianao tokoa
Nohesorinao izay nampanahy
Ka novokisanao ny soa
Nafahanao ny otako
Sitrana ny aretina
Ka ny heloka sy lozako
Dia voadio tsisy pentina

Réf: ny foko syn y saiko
Ny tenako sy ny aiko
Omeko ho Anao ry Ray
Izay no teny dradradradraina

Raha toa ka mandalo ady
Fisedrana mahamay
Hianao no mamaha ntononkira.serasera.orgy tady
Mamerina ahy ho soa indray
Naringanao ireo fahavalo
Nesorinao izay mampahory
Dia tonga foana Hianao mandala
Tsy sasatra tsy mba matory

Réf:…..
Reo teny mamy fikasana
Izay soa no lehibe indrindra
Dia tsy mba nisy ny novena
Na nesorina na nafindra
Fa notovinao taminay
Hatonganay ho sambatra
Ilay fiainana mandrakizay
Dia azonay mitambatra
Réf:……

Mpihira : Feon'ny Fitiavana Ampary
Mpamaky : 166
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Missene Mianj's
Tamin'ny : 10/08/2022 06:54:12
ID : 14471

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo