tompo tsara (Feon'Anjomara Vaovao (FAV) Ecar Manjakaray)

mankalaza anao aho Andriamanitra
mpanjakan'ny eto an-tany sy any an-danitra
ny misy rehetra arin-tananao
ny voary manontolo no manaiky anao

ka deraiko sy lalaiko fa tsy takatry ny saiko raha ny halebiazanao

Fa Tompo tsara ianao, mpamindra fo
Fitiavana Ianao
Satononkira.serasera.orgdy foto-tsoa

voninahitra ho anao ry Tompo be fitia
nanome 'ty zanakao mba hidina tety
nanolotra ny ainy hisolo voina ahy
ho tonga zanakao ka ravo ny fanahy

ka ambarako ho ren-tany, ho toriko sesilany raha ny fahasoavanao

Fa Tompo tsara ianao, mpamindra fo
Fitiavana Ianao
Sady foto-tsoa

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Feon'Anjomara Vaovao (FAV) Ecar Manjakaray
Mpamaky : 1821
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : bouzikiki
Tamin'ny : 12/03/2010 20:32:15
ID : 5718

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo