ASANDRATRO (Feon'Anjomara Vaovao (FAV) Ecar Manjakaray)

ASANDRATRO


Asandratro ny tanako
Inty raiso Tompo o
Atolory ahy,ny Tananao
(Fa mbola osa sy malemy aho) 2X
Fa Ianao no Andry itokiako
Sady manda  fiarovako
Eo an-tsandrinao no faniriako
Ka tsy mba hanan-tahotra aho

Asandratro ny feoko
Mitalaho, Tompo o
HeTsiky dia ampynoy re, ty zanakao
(Na dia mpanota tsy mendrika) 2X
Fa Ianao mahita izay kilemako
Sy ny tebitebiko
Aza avelanao hiady irery aho
Fa ampio mba tsy ho rendrika

Atolotro, ny foko anio
Raiso Tompo ka sasao
Dia hamasino sy tafio
Ny fon’ilay Zanak’ondrinao
Ny fon’Ilay Zanak’ondrinao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Feon'Anjomara Vaovao (FAV) Ecar Manjakaray
Mpamaky : 2505
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : aorn
Tamin'ny : 30/10/2008 09:14:42
ID : 5418

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo