ATOMBOKA ETO (Feon'Anjomara Vaovao (FAV) Ecar Manjakaray)

Atomboka eto anio, ‘zao fanekena izao
Hanjary ho tena iray tsy hisaraka ho doria
Fitiavana madio sy fiainam-baovao
No hatolotra ny Ray ka ho mandrakizay

Santarina eto androany ‘lay tokantrano mamy
Fa samy tafaray ny tiana sy ny tia
Ho fifaliana hatrany, finaritra aok’izany
Satria miorina eo an-tanan’I Kristy

Ny tokTsiky dia ampyy izay homena, hiainana sy ekena
Dia vato fototra hanamafy ny fitia
Tandrovy tsy hihena, na inona kilema
Tsy hampihemotra, fa hatao hampiara-dia

Fa voady Masina hiraikitra ao am-po
Ho ambany fitantanan’Ilay Ray Tsitoha
Ka tsy hivadika fa tena hifanasoa
Na inona olana, na fitsapana koa
Hifampitantana hiray saina sy fo
Ka tsy hisaraka na inona manjo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Feon'Anjomara Vaovao (FAV) Ecar Manjakaray
Mpamaky : 1258
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : megamix
Tamin'ny : 15/06/2013 09:44:33
ID : 6332

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo