SAO NENINAO (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Mandona ao ampoko ao Jeso ilay feonao
Mamelombelona ary koa Toa mitalaho tokoa
Reko voatononao Ny anaran-janakao
Tsy mety miala ao an-doha, Mamy tokoa
Mba tsapanao moa Ry foko keliko ity
F’injao ny Tompo No manambitamby anao
Fitiavana doria Mamy dia mamy ery
Omeny anao Ka mahaiza mankafy

2
Mba impiry impiry moa No miantso anao Jeso
Maniraka sy manendry Anao handeha hamoa
Maro ny ondriny very ary koa mania
Moa tsy honena tokoa Ve zato hianao
Jereo ny masony Ilay niantso anao
Fa dibo-drano toa Ora-mitrahotraho
Aoka hanaiky hianao Izao ankehitriny izao
Sao any am-parany any Ho Neninao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 1112
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 02/01/2015 17:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2219