SAMBATRA LOATRA (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Sambatra loatra izahay izao
Rehefa nandre ny teny avy aminao
Mahazo hery ny ao ampo
Tena ravoravo koa Zany saina sy ny fo

Fiv
Teneno foana ry Ray Anaro foana izahay
Ndrao manadino tokoa Reo teny tsara sady soa
Raha mila hivily ahitsio Raha mila ho reraka ampio
Ka aza avela ho irery ety Sao dia mania

2
Aina no entina miady ety
Nefa tsaroana ho tena mamy ery
Mamelombelona Fanahy Mampisento mampatsiahy
Hitodihana amin-dRay

3
Ny karakaina izao no miova fo
Ny teny tsara hitsirian’ny voa
Avia re kolokoloy Raha lavitra antsoy
Mba tsy ho very ka afoy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : FEFI
Visites : 959
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 02/01/2015 17:58
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725