MISAOTRA JESOSY (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Ry Jesosy Tompo menatra aho
F’izay ratsy teo imasonao
No efa re indrisy no natao
Henoy aho fa mitalaho

Fiv.
Mino aho, mino aho fa Ampy ho ahy tokoa
Hanadio ny rànao soa Izay nirotsaka tao Kalvary
Misaotra ry Jeso Tia

2
Ry Jesosy ô mangahiahy
Fa niodina teo aminao, teo aminao
Nefa aoka tsy ny fahatezeranao
No hanatrehanao ahy

3
Ry Jesosy, izay ela izay
No niantsoantso Anao, niantso Anao
Kanefa he mahantra tsy mba fantatray
Hay hianao akaikinay

4
Ry Jesosy izao vao fantatro
Fa tena sarobidy Aminao, Aminao
Ireto olona maditra mafy fo
Sy mpandà ny didinao.

5
Ry Jesosy Tompo Masina ô
Tena mamy ny fitiavanao, fitiavanao
Nafoinao hatramin’ny ainao
Farany azonao natao.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : FEFI
Visites : 889
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 02/01/2015 17:59
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735