MANJAKA RE ATO AM-POKO (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Manjaka re ato am-poko Ry Fanahy Masina
Tsapako fa piti-drano aho Latsaka ao andranomasina
Ity tenako nantsoinao Tsy mba misafidy
Nefa iraka amin’ny asa Zay tena saro-bidy
Manoloana irony onja Mampirona mampivena
Raha tsy hery tena mafonja No tinafin’ny tena
Tsy mba ho tanteraka tokoa Ny asam-pamonjena

2
Zaho ve moa tsy zanak’ondry Afovoan’ny amboadia
Notinendry mba hamonjy Rony namana maniasia
Minoa fa tsy tanam-polo No ho entin-janakao
Fa ny tenanao no hisolo Amin’ny ady ‚zay hatrehako ao
Na ny rivotra mifofo Na ny oram-batravatra
Na ny lalàna manjofo Na malama mety handratra
Toky sy ampingako hianao Ho fiarovan-tratra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 858
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 02/01/2015 18:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744