ITY NO ANDRO IRAY (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ITY NO ANDRO IRAY
“La Réunion”
Ny Dô dia : D. SACHA – 23 Février 2013
Milantolanto sy Milamindamina.

Ity no andro iray, tena hanandratanay
Ny Anaranao ry Andriamanitra Ray
Sady izarànay koa, na ny mamy na ny soa
Amin’ny namanay sy ny ankohonanay
Taona maro no indreo nifandimbidimby teo
Nampitombo ny finoana avokoa izy ireo
Satria nomba anay Hianao, nanome ny tànanao
Niaro anay hatram’izay, ka hatram’izao,
Nandray an-tànanana anay

Na dia nisy aza Ray Fisedrana mahamay
Tam’ireny indrindra Hianao no tonga mba hamonjy anay
Dia afaka tokoa ny ady nampamoy fo
Mbola vonona hitory ny Fitiavanao Jeso

Dera, Laza, Saotra indro fa atolotray
Mba ho Anao ry Jesosy Tomponay
Voninahitra anie ho an'Anadriamanitra
Fa Fiadanana ho anay mandrakizay.-

Rehefa miverina fanindroany ny hira vao manao Sôlô “Improvisation” ny Lehilahy iray
Ny “Choeur” manao Bouche fermée
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 1073
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mbahoirayihanyizyrehetra
Daty : 02/01/2015 17:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735