FIJALIANA (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-
Nangirifiry ianao, nilanja ny tsy natao
Niaretanao avokoa, ny vono sy ny hafa koa
Nampijaliana ianao, nokapohina koa
Dia nororana sy noesoesoina
Fa mba taiza moa zahay,t@ora izay nijalianao io
Tsy nisy na iray sahy niaro anao fa natahotra
Na dia ireo mpianatra aza,
Nilaza ho tsy nahafantatra.

2-
Ny dinitrao nitete, hatrany getsemane
Ka ory loatra ny fo, mafy tokoa ny nanjo
Dia nitomany ianao, nikiaka mafy hoe:
“Ray ô! Esory amiko ity kapoaka ity!”
Indrisy anefa fa natolotra Ianao,Tsisy azo natao.
Dia novonoina ka niboiboika koa,
lay ra avy ao am-po; Tsy nisy izay iray nitsetra fa,
Nataony ho fihomehezana.

3-
Ny fahotako rehetra, ny ditra sy setrasetra
Ny tanako mihosin-dra, tena mamatotra ahy
Ireo hadalako ihany koa, miampanga ahy avokoa.
Tsy afaka miala fa, ianao nalatsa-drà
Tsy mba namaly ianao,
Manoloana ireo zavatra niseho
Fa ny lalanao tokoa, efa voasoritra mialoha
Tanterakao ny famonjena fa,
Zahay no tsy nahay nandray

Naivo
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : FEFI
Visites : 1868
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mbahoirayihanyizyrehetra
Date : 02/01/2015 17:56
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2861