AZA AVELA HIHANAHANA (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 – Aza avela hianahana re ny finoana (hamakivaky)
Hamakivaky ny alon-drano izay manoloana (manoloana)
Na mbola lavitra aza ny tanjona fitodihana
(Ilay Jesosy) Ilay Jesosy irery ihany no azo itokiana
Ny mpianatry ny Tompo, Didiany hifanompo
Tiany mba hifampivavaka ka tena hiavaka (Hiavaka)
Amin’izay tsy mino, satria nanadino
Fa hay Jesosy akaikiny nefa tsy hitany (tsy hitany)
2 – Ireo zay mbola misalasala miatrika olana (Ampaherezo)
Ampaherezo fa misy ny masoandro amam-bolana (hanazava)
Ampy hanazava ny androny indrindra ny aliny
(Fa satria) Satria toa maizina avokoa ny androm-piainany
Jesosy irery ihany Lay tokana aman-tany
Lay hany tsy manan-tsahala Tompo malala (Malala)
Lay tsy mba manadino Mampionona ny mino
Ho sambatra finaritra sady ho tretrika (tretrika)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEFI
Vangy : 2625
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RAKOTONDRAVELO ELY JOHNATTAN
Daty : 25/10/2004 01:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0766