You are here: home > Tononkira > FEFI

Aiza ho aiza ny lanitra (FEFI)

https://tononkira.serasera.org/hira/fefi/aiza-ho-aiza-ny-lanitra

1- Aiza ho aiza ny lanitra ianao ô ry olona o
Mbola hiondrika eto ihany va izato ianao
Mba andrandrao ny masonao
Jereo fa ho hitanao, miandry fatratra Andriamanitra
Miandry Andriamanitra
Ka moa  ve avelanao hangahiahy ilay Tomponao
Hialoka eo antratrany eo ianao
fa zanany malalany, tsy foiny sy maminy
mba hanjakan’ny fitiavany

Ref: Olo-maro no efa sambatra
Sambatra ao an-danitra
Mankalaza sy mihitononkira.serasera.orgra hoe
Voninahitra ho An’Andriamanitra

2- Efa azonao sary an-tsaina ve izao ny dia
Efa mba manasa-dalana ve sa dia sanatria
Lalan-kafa no naleha, nihaino ihany fa tsy nandre
Ny didy sy ny hafatry ny Tomponao manao hoe
Andeha efao ny adidinao, torio izao tontolo izao
Fa efa mby akaiky anie ny fanjakana lehibe
Izay hitsara ny asany, na soa na ratsy vitany
Ianao no voatrendry ho solom-bavany

Ref...

A/C: Sacha Ratianarivoson

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : FEFI
Mpamaky : 2281
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 27/04/2006 08:30:43
ID : 3620

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo