Ao tsara (Eric Tahina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet 1 :
Raha ianao no eo anilako eo dia tsy misy zavatra inona
Na tsy hitako aza fa ilay feo no reko manako mangina
Hanjohy anao eny ho eny, ny anjelin'ny fitia
Hampatsiahy sady hiteny hoe "tongava aty"
Ny tsisy aza foronina mba hahitako anao
Ny tonom-bavaka tononina ny hoe "tiako ianao"
Na antoandro na alina tsy mitombina ny saiko
Ny feoko farina f'ianao no hiraiko

Refrain (2 x):
Ou ou ou ou, ao tsara e e e yah
Ou ou ou ou, ao tsara e e e yah
Ao tsara e e, ao tsara e e e
Ao tsara e e, ao tsara e e

Couplet 2 :
Malahelo sy manina e, lasa ny ambiroa
Mipenimpenina sy fanina e, mahatsiaro anao tokoa
Any foana ny eritreritra e, tsy mahavita n'inon'inona
Ny foko mirehitra toa mafana ririnina
Na dia lavitra ny lalana tsy maintsy ho tongako any
Na dia betsaka sampanana, ny diako iray ihany
Ny ho any aminao : hahita anao
Tsy andrasako andro, f'izao dia izao

Refrain...

Bridge :
Na dia lavitra aza ny any e!
Ny alahelo anao izany!
Na dia lavitra aza ny any e, ho tongako any e!
Ny alahelo anao izany mampitomany!

ERIC TAHINA (Titre : "Ao tsara" / Extrait du 3ème album : "Soa fa teo Ianao" - 2011)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Eric Tahina
Vangy : 176
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hagamamytahiana2023
Daty : 09/12/2023 15:42
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137