You are here: home > Tononkira > DAFAH

AZA TSAROVANA (DAFAH)

Aza tsarovana
intsony aho
fa efa potraka
efa trotraka
ka tsy sahaza anao

raha sanatria ka
mahita anao aho
tsy ahafantatra ahy ianao
tsy halala
f'efa potraka anie aho

eny mety hahalala
ihany angamba iTsiky dia ampyanao
mety halahelo aza
f'izaho no menatra
tsy te ahita anao
f'efa voro-kitsay anie aho

gaga sy talanjona
ireo tapaka sy namana
raha sanatria ka
mahita ahy
efa koka
sy taolana mitafy nofo
resin'ny fiainana aho
tsy afa manaotra

Mpihira : DAFAH
Mpamaky : 212
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : boranjok
Tamin'ny : 30/11/2021 22:28:14
ID : 13780

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo