You are here: home > Tononkira > COEUR de l'ILE

VAHAOLANA JESO (COEUR de l'ILE)

1.     Na inona miseho
        sy zava-tsarotra manjo ('zay manjo)
        Tomany sy toreo
        'Zay mety hankarary fo ('zany fo)
        'Ndeha banjinoa sy jereo
        fa indro misy zava-tsoa
        Natolotry 'Lay Ray ho VAHAOLANA JESO

2.     Izay hita sy re
        dia zary mampivadi-po (zany fo)
        Na aiza no aleha
        toa lala-maizina Tsiky dia ampyavokoa (avokoa)
        Nefa izao dia mijere
        fa indro misy zava-tsoa
        Natolotry 'Lay Ray ho VAHAOLANA JESO

3.     Ny fiainantsika ety
        tsy fantatra izay mbola hiseho ('zay hiseho)
        Tohizana ny dia
        fahatokiana no aseho (no aseho)
        Ny finoana no atanjaho
        ny fandresena efa azonao satria
        Natolotry 'Lay Ray ho VAHAOLANA JESO

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : COEUR de l'ILE
Mpamaky : 1058
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : dadalala
Tamin'ny : 12/03/2010 20:30:17
ID : 5755

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo