You are here: home > Tononkira > COEUR de l'ILE

JESO AMPIANARO AHO (COEUR de l'ILE)

Tompo ô! Ampianaro aho
mba tsy hamita-tena hilaza fa mpianatrao
Nefa anatiko ao
dia zara raha misy toerana omeko Anao
          Ampianaro aho ry Ray
          Mba hanetry tena toa Anao
          Fa ny "IZAHO" indraindray
          Io no asandratro fa tsy Ilay Anaranao

Tompo ô! Ampianaro aho
mba tsy hamita-tena hTsiky dia ampyilaza fa mpianatrao
nefa ao an-tsaiko ao
tsy vonona hianatra eo an-tongotrao
         Ampianaro aho ry Ray
         tsy hijery afa-tsy Ianao
         O! sariho mba tsy ho sahy
         hitsaratsara sy hanenjika reo ondrinao

Tompo ô! Ampianaro aho
Mba ho fahazavan'izao tontolo izao
Ary manomboka izao
dia vonona aho hianatra reo toetranao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : COEUR de l'ILE
Mpamaky : 2147
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : dadalala
Tamin'ny : 05/10/2010 22:49:32
ID : 5938

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo