Itompokolahy Randriambahiny (Clim)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O Ratompokolahy ô
Tompokolahy Randriambahiny
Mpanao baolina tsisy tsiny izy e
Tonga amin’izay rafialonana
Ka nanitsaka an-tampo-dohany

Dia roso ary izany dia mba ho any Paris ô
Satria nalaza ho nandresy intelo nifanesy
Raha vao tonga ny zanak'olona
Dia nanontaniana raha tao i Kokolona
Tsy tao anefa ilay ity,
Ka nanontaniana raha tao i Jongaly
Nitsofoka kely ary i Patrice
Namitaka kely izy dia nanitsy
Izay vao nomeny an'i Rainisoa
Ka indro fa todisoa

O Ratompokolahy ô
Tompokolahy Randriambahiny
Mpanao baolina tsisy tsiny izy e
Tonga amin’izay rafialonana
Ka nanitsaka an-tampo-dohany

Raha vao nanomboka ny lalao
Dia saika torana sady vao
Nampalahelo fa nihafihafy
Ry Dida sy ry Kalasy…
Nalefa amin’izay ratetidratsy
Hamonoana ny dian-dRamalagasy
Na ny hitsaka an-gôdasy
Na ny totohondry mamely mafy
Niampy iray teo ny mpilalao
Kanefa nalefa tamin’izao
Tsy nanao intsony ilay narary
Fa lasa niditra hôpitaly

O Ratompokolahy ô
Tompokolahy Randriambahiny
Mpanao baolina tsisy tsiny izy e
Tonga amin’izay rafialonana
Ka nanitsaka an-tampo-dohany

Tamin’ny iraika ambin’ny folo
Dia indro fa maizina ny tontolo
Nivolo-maintsy iny lanitra iny
Fa maty tokoa Randriambahiny
Tamin’ny fomba manetriketrika
Sy feno fanajàna mendrika
No nandraisan’ny Nosintsika
Ilay vatana mangatsiaka
Dia nentina teny Antanimena
Fa tao izy no nomena
Ny Sakramentan’ny Eglizy
Izay efa voaray an’ireo ankizy

O Ratompokolahy ô
Tompokolahy Randriambahiny
Mpanao baolina tsisy tsiny izy e
Tonga amin’izay rafialonana
Ka nanitsaka an-tampo-dohany

Avy eo dia nanitsy mba ho eny Mahitsy
Ao ilay nofo izay efa sasatra
No mba hivalampatra
Fahatsiarovana ihany sisa ô
No hany ho voatanisa
Ny anarany tsy lefy eto an-tany
Fa ‘zany nofony vovo-tany
Tompokolahy Randriambahiny
Mpanao baolina tsisy izy ô
Tsy mba fomba ny mandoka
Fa io tsy mifoka ary tsy migoka


Tantaran'ny nahazo an'i Mbahiny, mpilalao baolina lavalava, raha nandeha niady amboara tany Frantsa tamin'ny taona 1957
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Clim
Vangy : 1437
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 03/10/2018 11:05
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0316