8h 11h10 15h23 (Clim)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Roapolo taona aho tamin’zay dia lasa tany an’ady
Nefa iza indray no hahatsiaro ny anarako
I zandry tsy nanoratra ary i neny tsy hita intsony
Eny tsy nahandry ahy izy

Amin’ny firy no mandalo ny fiarandalambý
Amin’ny valo, amin’ny iraika amby folo sy folo, amin’ny telo sy fahatelony

Rindrin-tany efa ntaolo no indreo hita mijoro
Nefa iza indray no hahatsiaro ny anarako
Ilay hany tiako efa nanorin-tokantrano
Mba hanadinoiny ireo nisy taminay

Amin’ny firy no mandalo ny fiarandalambý
Amin’ny valo, amin’ny iraika amby folo sy folo, amin’ny telo sy fahatelony

Hanainga aho, hanainga aho hibanjina ny ho aviko
Nefa iza indray no hahatsiaro ny anarako
Hafaliana tsy omby tratra raha mbola teo daholo izy ireo
Eny, iza indray no hitantana sy hanatitra ahy

Amin’ny firy no mandalo ny fiarandalambý
Amin’ny valo, amin’ny iraika amby folo sy folo, amin’ny telo sy fahatelony
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 13/11/2021 16:43)
Fa ilay amin'ny telo sy fahatelony ve ho'aho tsy 15h20 fotsiny e.
Avy aiza izany ilay 23 ?
ikalamako ( 13/11/2021 18:19)
ilay lohatitran'ilay orijinaly an'i Cogoi no notazonin'i Clim fa jereo io sarin'ny vynil nataoko sarin'i Clim io.
hery ( 14/11/2021 23:53)
i Clim mihitsy no anontaniako an'io izao :-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Clim
Vangy : 3249
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/08/2015 20:59
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121