ravoravo (Chorale Taratr'i Maria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ravoravo e, henin-kafaliana
Ny mpianakavy e, ka velon-kira
Misaotra an’Andriamanitra e ia
nanome azy ny voninahitra e
noho ny haben’ny fahasoavany

E e ia 45 taona
E e ia ity ilay hazomangan’ny diosezy Ihosy
Paroasy Katedraly
Masina Maria Renin’Andriamanitra eia
Ndao hiray saina haharitra hivavaka
fa isika izao no tempolin’Andriamanitra e ia

2- isika ho sahy hijoro
Amin’ny finoana ka tsy hikoro
‘Reo sakramenta ho zary fiainana eia
Ho zary fiainana sy fiadanana e
Hiada-pinaritra ka ho sambatra

3-Ny Fanahy Masina handavorary
Masina Maria Reny dia tsy hanary
Reo no hery mamelona ny Fiangonana e ia
Mba hanjakan’ny fiombonana e
Ao amin’i Kristy vato velona
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Chorale Taratr'i Maria
Visites : 173
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Ramanantsialonina
Date : 21/07/2025 15:29
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0696