Tapak'elatra (Bouboul (RAMBOATIANA Etienne))

Efa mirefarefa sy tsy ho tana ny hazavana
Vetso ihany sisa no voatanisa fa tsy tamana
Tsaroako indray e! ny any aminay
Ireo vorona mody e misodisody mikopak'eny
Ampombaiko veloma fa tsy hay antsoina ikaky sy neny

Efa mirefarefa sy tsy ho tana ny hazavana
Vetso ihany sisa no voatanisa fa tsy tamana
Tsaroako indray e! ny any aminay

Toa hitako sary eto anoloana
MijinjTsiky dia ampya vary am-pamoloana
Ny nanovo rano, miloloa siny
Nitantara angano fony fahiny

       Manako moramora toa mankora ny riandrano
       Ny nofy e mimaona ny maso foana no manganohano
       Singan'irery , tsisy mpijery
       Herika mifafifafy injany mihamafy manao patrak'ala
       Izany foko ato anaty toa tsy raha hatanty fa lavi-malala

La!la!la!la!al!!!!!

Tsaroako indray e! ny any aminay

Mpihira : Bouboul (RAMBOATIANA Etienne)
Mpamaky : 78
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : harymbola
Tamin'ny : 13/07/2021 11:43:32
ID : 13557

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo