You are here: home > Tononkira > Bessa

Toy ny nosy kely (Bessa)

Toy  ny nosy kely
Azonao hiantsonana
Raha sendra tafiotra
Dia ho toa izany aho
Toy ny kintan-kely
Mitsilopy azo hizorana
Ao anaty haizimpito
Dia toa izany aho

Miainga izao ny sambom-piainanao
Handeha hamakivaky ireo alin-tsy hita lany
Soavadia, tojoa ‘zay rehetra iriana
Sambàra eo anilan’ny tiana
Kanefa raha misy manjo

Toy  ny nosy kely
Azonao hiantsonana
Raha sendra tafiotra
Dia ho tTsiky dia ampyoa izany aho
Toy ny kintan-kely
Mitsilopy azo hizorana
Ao anaty haizimpito
Dia toa izany aho

Hatanorana, fanilom-pahazavana
Feno fanantenana, toky ento hitàna
D’efa veloma masìna
Raha tsy hihaona intsony
Raha sendra manonja ny ony
Toneo tsy ho kivy ny fo

Fa toy  ny nosy kely
Azonao hiantsonana
Raha sendra tafiotra
Dia ho toa izany aho
Toy ny kintankely
Mitsilopy azo izorana
Ao anaty haizimpito
Dia toa izany aho

Mpihira : Bessa
Mpamaky : 1772
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 23/07/2014 13:26:32
ID : 6629

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo