Saingy tsy foinao (Bessa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
SAINGY TSY FOINAO

Taiza moa ’zahay Jeso ô!toy izao
Raha nilaozanao noho ireo otanay

Fa hoy ianao hoe
Tsy maintsy hijaly ianao
Ary ho faty nohon’ny ota
Kanefa rehefa afaka hateloana
Dia hitsangana
Nisy tsy nety nino
Nisy tsy nanampo
Kanjo tanterakao ilay teny

Taiza moa ’zahay Jeso ô!toy izao
Raha nilaozanao noho ireo otanay
Saingy tsy foinao Jeso ô! izahay
Fa navotanao hody soa indray

Vita izay ny avotra
Ary tontosa ny famonjena
Tsy naharesy ilay maherinay
Ny fahafatesana
Nefa mbola malemy
Sy kanosa izahay
Mbola tsy sahy mijoro
Ka todiho sy jereo


Tonony: Bessa
Rindra: Bessa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bessa
Vangy : 4021
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tovo Mbolatiana RAKOTONIRINA
Daty : 14/04/2003 07:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0785