Hehy (Bessa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hehy no ampinga enti-miady
Fiarovana mba tsy ho voa
Fa hahatoha
Ny endrikendrika

O Hery fanafenan-tomany
Fierena raha misy manjo
Na ratra am-po
Mila handrendrika

Tsy ilaozan-tsompatra hono ny ety
Izay be mpitia
Maro tsy tia
Tsy ilaozan-tsembana akory ny dia
Eny tokoa fa tany moa

Nefa tsy mba resin’ankaso
Izay mijoro hisedra azy ireo
Tsy mitoreo fa miran’endrika
Oh oh hehy fa tsy mba ranomaso
No atsangany toy ny tamboho
Avy ao ivoho
Ho an’ ny mpanenjika

Ny fifosana avy etsy sy avy eroa
Valina hehy miova tarehy
Ny latsalatsa sy ny eso koa
Marina moa raha tsy mikoa

....

Izay be mpitia maro tsy tia
Nefa tsy rendrika
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bessa
Vangy : 15628
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lanto
Daty : 27/03/2004 11:45
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113