MIANTSO ANAO (ASAFA(Antsan'ny SAlema Fanantenana Ambatondrazaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa mba nosaininao ve ny fialanao ety
sa variana mihary ny fiainana eto an-tany
Rendrarendra mahafaly ny fo,
Tsy misaina ny am-pitso
Voky ny nofonao fa very fanahy

Raha mba fantatrao anio ny handaozanao ny tany
Dia mba inona re no ataonao amin'izany
Fibebahana sesilany,
Fiankohofana tsy misy hoatr'izany
Tahotra sy hovitra mahavaky ny fo

FIV : Indro ny famonjena (anao izao),Indro fa tonga
Ilay Andriamanitra tompon'ny HERY
Sy FAHEFANA, MIANTSO ANAO fa
Jesosy ihany ange no vahaolana miandry anao
K'omany dieny izao , 'zay hiafaranao

Lavitra sy migodana ny lalana eto
Zay jerena toa tsara avokoa fa fitaka hatreto
Faharatsiana mitombo hatrany
Nofinofy sy lainga avokoa
Misy fetrany ihany ny antsika ety

FIV : Indro ny famonjena (anao izao),Indro fa tonga
Ilay Andriamanitra tompon'ny HERY
Sy FAHEFANA, MIANTSO ANAO fa
Jesosy ihany ange no vahaolana miandry anao
K'omany dieny izao , 'zay hiafaranao
Berova
Aogositra 2019
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ASAFA(Antsan'ny SAlema Fanantenana Ambatondrazaka)
Vangy : 191
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Berova
Daty : 16/10/2023 14:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0847