Mazàna (ASAFA(Antsan'ny SAlema Fanantenana Ambatondrazaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mazàna ty foko mahatra
To mirehareha fatratra
Miseho mavita azy sy manam-panahy
Ireo namany aza moa tao latsalatsainy
Mazàna toa mitasy laza
Amin'ny asao vitako aho
Mba manakatao dia mizahozaho
Sy mila sitrany hatrany

Ny Tompo anefa nijaly
Noho ny FTIAVANY ahy ihany
Ny lapa soa dia niangany
Ny famonjena no vaindoha-draraha
Nafoiny hatranin'ny ainy satria tsy sitrany ho very
Izao mihitsy indraindray  no
Minia tsy anaraka Azy velively

Mazàna ty foko malaina raha omena andraikitra iray
Toa mihakivikivy sy miamboho adidy
Satria kely finoana dia misalasala
Mazàna ty foko malemy raha sendra izay fitsapana iray
Mitaraina mafy tsyzatra mihafy ka miverin-dalana indray

Ny Tompo anefa nijaly
Noho ny FTIAVANY ahy ihany
Ny lapa soa dia niangany
Ny famonjena no vaindoha-draraha
Nafoiny hatranin'ny ainy satria tsy sitrany ho very
Izao mihitsy indraindray  no
Minia tsy anaraka Azy velively

A/C: Falison Jersin
2017
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ASAFA(Antsan'ny SAlema Fanantenana Ambatondrazaka)
Vangy : 217
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Berova
Daty : 02/12/2024 16:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1132