Tsy manan-tsahala (Apost)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tovozona tsy mety ritra
Toa loharano an-dohasaha
Madio, mangarangarana
Tsy misy pentina
Toy ny volon’ondry fotsy

Lalina tsy misy fiafarany
Ary tsy manavaka
Na manavanavana
Toy ny avana
Tery miakatra fa tsy midiina

Ref:
Fitavan-dRay tsy misy fetra
Fa ho an’ny rehetra
Ireo mpanota mibebaka
Ho raisiny an-tanan-droa
IEH!!!

Nolotoina, voa may madio
Vonoin’afo, miredareda
Jiro tokana mahataka-davitra
Manazava
Manazava ny manodidina

Nalefanao ilay Tokana
Hanazava, hankalaza
Ny Teny Maminao ry Ray
Mba ho famonjena
Tsy ho any @ lavaka tsy hita nonoa

Ref:
Fitavan-dRay tsy misy fetra
Fa ho an’ny rehetra
Ireo mpanota mibebaha
Ho raisiny an-tanan-droa
IEH!!!
Fitavan-dRay tsy misy fetra
Fa ho an’ny rehetra
Ireo mpanota mibebaka
Ho raisiny an-tanan-droa
Amin’ny fo!
Ie amin’ny fo

RY MPANOTA MIBEBAHA @ FO!!!!!!!
@fo!!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Apost
Vangy : 791
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 01/08/2019 21:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736