Ramalala (Apost)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako ianao na tsy nolazaiko aza
Tiako tsy maraina tsy hariva
Ny faniriako hitohy ho tokantrano
Na ho sarotra ny dia mafy rehefa tia

Tiako izy na tsy nasehoko indrisy
Reo fitia rehetra efa nisy
Indraindray misy indrokelin' ny mpandrafitra
Ny anao anefa fitia tsara rafitra

Fiv: Fa ny foko raha tia dia hatrizay
Ianao irery no ahy mandrakizay
Zao tontolo izao foiko
Raha izay no ho ahasambatra ahy

Indrisy tsy voarainao izany rehetra izany
Ianao vonton' alahelo tomany
Izaho anefa olombelona ihany
Manao zay vita na tsy tonga lafatra aza

Dify teo ny anjarantsika roa
Hantsana manasaraka ity lalana iny
Rava teo lay nofinofy mamy
Fa ianao natelin' ny fasana

Fiv: Fa ny foko raha tia dia hatrizay
Ianao irery no ahy mandrakizay
Izao tontolo izao foiko
Fa tsy maty ianao vao ramalala

Fiv: Fa ny foko raha tia dia hatrizay
Ianao irery no ahy mandrakizay
Izao tontolo izao foiko
Fa tsy maty ianao vao ramalala
Nony injay tsy tazana maha lasa adala
Nony dify lasa aloka
Toa voromahailala
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Apost
Vangy : 2233
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lucianahrandriam
Daty : 09/01/2019 21:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1272