Na tambazana (Apost)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na tambazana aza aho
Tsy hinana ny tsy fihinako
Toa mangidy mankalao
Raha ho tantaraina anao
Ny ao anatiny tsy may
Porofo tsy miafina fa takona
Ny ambadiky ny ranomasina

Ref:
Tsy fantany akory
Ny tany boribory
Mihodikodina
Tsy mampahita-tory
Toa vohan’ny antsangory
Fanimpanina
Efa im-betsika no norarana
Tsy mety (fa ratsy) ny tsy mino ilay nahary anao (an’Andriamanitra)
F’efa mihetsika Satana
Mahababo ireo kibiby
Tsy matahotr’andriamanitra e!
Tsy matahotra anao ry Ray
Tsy matahotra ny Avo indrindra

Toa tsy henonao akory
Ny feon’ny eritreritra
Izay miantso manirery
Tsisy valiny na tambiny
Na izaho, na ianao
Mety ho tratran’ny velam-pandrika
Izay hitondra anao anatin’ny haizina

Ref:
Tsy fantany akory
Ny tany boribory
………………………..
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Apost
Vangy : 1811
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 30/09/2013 00:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713