Mivoana (Apost)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Taloha tany ela be
Raha mbola tany ny arabe
T@ andron’I dadan’I Dadabe
Ny voaary tsisy tomika
Fa mbola virijiny
Tain’omby mivadika aza manan-tompo

Ref:
Fa nahoana no navela hikodia?
Natao tsinintsinona, nadaboka
Indrisy ry ela tsisy mpanontany intsony
Ianao tompony aza tofoka

Ankehitriny mantsy anie
Ny ankizy mibaiko lehibe
Manivaniva, manambany
Fandrosoana, fifandisoana
No nampivily lalana
Nisafidy ny lalan’ny meloka

Ref:
Fa mba nankaiza ireo fahendrena taloha?
Toa tsy tazana, nanjavona
Novaina ho sola ilay lava volo taloha
Toa manin-drandra tsy manendrika
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Apost
Vangy : 1780
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 02/10/2013 02:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721