VONINAHITRA HO AN’ANDRIAMANITRA (Ré) (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra
Ary fiadanana anie ho an’ny olona etỳ ambonin’ny tany
Fa nanehoany ny Hatsaram-pony, Voninahitra anie ho Anao !
Midera Anao izahay, mankalaza Anao ‘zahay, Mitsaoka Anao ‘zahay !
Mihoby ny Hasinao ‘zahay, misaotra Anao ‘zahay!
Ry Tompo Andriamanitra Mpanjakan’ny lanitra
Andriamanitra Ray Mahefa ny zavatra rehetra
Ry Jesoa Kristy Tompo Zanaka Lahitokana
Voninahitra anie ho Anao
Voninahitra ! Ry Tompo Andriamanitra, Zanak’Ondrin’Andriamanitra
Ry Tompo Andriamanitra, Zanaky ny Ray
Manala ny fahotana Ianao ka mamindrà fo aminay
Manala ny fahotan’izao tontolo izao Ianao ka raiso ny fifonanay
Mipetraka eo an-kavanan’ny Ray Ianao ka mamindrà fo aminay
Fa Ianao irery no Masina, Ianao irery no Tompo, Ianao irery no avo indrindra
Ianao irery no Tompo, Ianao irery no avo indrindra
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra
Ry Jesoa Kristy Tompo, miaraka amin’ny Fanahy Masina
Ao amin’ny Voninahitr’Andriamanitra Ray
Voninahitra anie ho Anao!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 191
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RABEHAVANANA
Daty : 28/12/2023 09:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074