TAPAKEVITRA ANARAKA ANAO AHO (Sol) " Hira fanombohana" (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hn! Hn! Hn! Eka lahy e e! Lalalalalalay! Anaraka Anao aho Tompo ô!

1) Izaho tapa-kevitra e! Tena tapa-kevitra e!
Fa anara-dia Anao aho Tompo ô!
Ho afoiko daholo ny amiko manontolo
Fa anara-dia Anao rô ‘zaho ô!
Ialako ny tanàna, ery Papa sy Mama
Fa anara-dia Anao rô ‘zaho ô!
Hanompo ny Eglizy fa izay no devizy
Anaraka Anao aho Tompo ô!
Na ho mafy aza ny hanjo :
Anaraka Anao ! Anaraka Anao ! Eny, anaraka Anao!
La la la la la la la lay!
N’inona n’inona manjo, na dia mafy tokoa
Eny, anaraka Anao ! Anaraka Anao !

Fa Jesoa tiako ô ! Faniriako ô !
Anaraka Anao rô ‘zaho ô!
Fa Jesoa tiako ô ! Faniriako ô !
Anaraka Anao rô ‘zaho ô!
La la la la la la la lay!
Koa mba tahio ô! Sy mba ampio ô !
Fa Anaraka Anao rô ‘zaho ô!
Ho irakao no asa atao
Anaraka Anao rô ‘zaho ô !

2) Izaho tapa-kevitra e! Tena tapa-kevitra e!
Fa anara-dia Anao aho Tompo ô!
Hitory teny fa tsy hitory tena
Anaraka Anao aho Tompo ô!
Izaho efa pare, zaka jiaby efa O.K
Inty aho, iraho aho Tompo ô !
Mpanota tsy mendrika, ka aza avela ho rendrika
Fa anaraka Anao aho Tompo ô!

Fa Jesoa tiako ô ! Faniriako ô !
Anaraka Anao rô ‘zaho ô!
Fa Jesoa tiako ô ! Faniriako ô !
Anaraka Anao rô ‘zaho ô! La la la la la la la lay!

Jesoa Tompo ô ! Inty aho hanompo
Sy Anaraka Anao rô ‘zaho ô !
Na mangidy na ho mamy
Na fifaliana na tomany
Anaraka Anao foana ‘zaho ô !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 113
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RABEHAVANANA
Daty : 28/12/2023 09:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744