OMEO AZY (Do) - "Rakitra" (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Omeo Azy, omeo Azy, omeo Azy ny fiananareo
Atolory Azy, atolory Azy, atolory Azy ny fonareo
Avelao mba hanjaka sy hahazo Lapa
‘Lay Mpanjakan’ny Fanetren-tena
Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra
Dia omena anareo ho fanampiny ny zavatra rehetra
Izay mamafy kely dia hijinja kely
Izay mamafy be ihany no afaka hijinja be
Izay famarana hamaranao ihany
No tsy maintsy mbola hamarana anao indray andro any
Omeo Azy e! Omeo Azy e!
Avelao hotantanan’ny Tompo ny fiainanao manontolo
Atolory Azy e! Atolory Azy e!
Fa efa voahisany hatramin’ireo singam-bolo!
2) Omeo Azy, omeo Azy, fa tsara kokoa ny manome noho ny mandray
Atolory Azy, atolory Azy, fa izay mahafoy be ihany no omena be dia be
Miharia harena any an-danitra any
Fa mandalo ihany anie isika eto an-tany
Fatra mifatratra tsara no ‘ndeha afaro
Ny manaiky ho andevozin-karena re atsaharo !
Ny soa atao dia levenam-bola
Fa ny ratsy atao kosa dia loza mihantona
Mahaiza mihantra raha te-hiantrana
Mahaiza mizara ihany koa raha mba te-hizaràna
Omeo Azy e! Omeo Azy e!
Avelao hotantanan’ny Tompo ny fiainanareo
Atolory Azy e! Atolory Azy e!
Atolory Azy fa Izy no Tomponareo
Omeo Azy e! Omeo Azy e!
Omeo hanjakan’ny Tompo ny fiainanareo
Atolory Azy e! Atolory Azy e!
Fa ny Tompo Jesoa no mahalala mialoha ‘zay rehetra mahasoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 146
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RABEHAVANANA
Daty : 28/12/2023 09:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761