Ny eo an-tratranao (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ny eo an-tratranao no ahazoako fifaliana
Mifikitra aminao tsy misy fijaliana
Ny eo an-tratranao no hany mahatsara
Ny eo an-tratranao no mba tiako ho anjara

Fa fantatrao ry Tompo
Fa tiako anie Ianao
Ka vonona aho hanompo
Sy hanao zay sitrakao

2- Ny eo an-tratranao lavitry by rofy
Ny ho sakaizanao no mba nofinofy
Ny eo an-tratranao no tiako hiantefana
Ny eo akaikinao tena mahatamàna

Fa fantatrao ry Tompo
Fa tiako anie Ianao
Ka vonona aho ny hanompo
Sy hanao zay sitrakao
Fa fantatrao ry Tompo
Fa tsy foiko anie Ianao
Satriko isan’andro ny ho eo akaikinao

3- Ny eo an-tratranao no ahitako famonjena
Ny eo an-tratranao no ahazoako fandresena
Ny eo an-tratranao tsy misy fanahiana
Ny eo an-tratranao no lavi-pahoriana

Fa fantatrao ry Tompo
Fa tiako anie Ianao
Ka vonona aho ny hanompo
Sy hanao zay sitranao
Hanao zay sitrakao

                          A/C : Nirina RANOELISON (Ni)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 9
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : 586b
Daty : 03/02/2026 12:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0777