IZAHO MINO AN’ANDRIAMANITRA - APKM (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Izaho mino an’Andriamanitra Tokana
Ray Mahefa ny zavatra rehetra
Nahary ny lanitra sy ny tany
Ary ny zavatra rehetra, na ny hita maso na ny tsy hita maso
2) Izaho mino an’I Jesoa Kristy Tompo Tokana
Zanaka Lahitokan’Andriamanitra
Teraky ny Ray talohan’ny taona rehetra
Andriamanitra avy amin’Andriamanitra
Fahazavana avy amin’ny Fahazavana
Andriamanitra Marina avy amin’Andriamanitra Marina
Nateraka Izy fa tsy natao, iray fomba amin’ny Ray
Ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra
3) Isika olombelona sy ny famonjena antsika
No nidinany avy any an-danitra
Ary naka nofo tamin’i Maria Virijiny Izy
Noho ny Herin’ny Fanahy Masina ka tonga olombelona
Nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ho antsika indray koa
Tamin’ny andron’i Pontsy Pilaty, nijaly ary nalevina
4) Nitsangan-ko Velona tamin’ny andro fahatelo
Araka ny voalazan’ny Soratra Masina
Niakatra any an-danitra dia mipetraka eo an-kavanan’ny Ray
Mbola ho avy amim-boninahitra indray hitsara ny velona sy ny maty
Ary tsy hanam-pahataperana ny Fanjakany
5) Izaho mino ny Fanahy Masina, Tompo Loharanon’Aina
Avy amin’ny Ray sy ny Zanaka
Tsaohina sy omem-boninahitra miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka
Ary niteny tamin’ny vavan’ny Mpaminany
6) Izaho mino ny Eglizy, iray, masina, katôlika, apôstôlika
Izaho Mankato ny Batemy tokana ho famelàna ny fahotana
Ary izaho miandry ny hitsanganan’ny maty sy ny fiainan-ko avy.
AMEN! AMEN!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 137
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RABEHAVANANA
Daty : 28/12/2023 09:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2319