Ho mpamindra fo (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aoka ho mpamindra fo ianareo
Ho mpamindra fo toy ny Rainareo ianareo
Aoka ho mpamindra fo ianareo
Tahaka ny Ray mpamindra fo

1) Diso izy e! mba toa anao koa izy e!
Tsy nahalala akory ‘zay tsy nety nataony
Nihazakazaka izy e! ka sendra tafiotra mahery
Ianao aza mandatsa fa diso izy e!

2) Nony injay jemby sy fanina
Torovana sy valalanina
Efa saika hamoifo nefa mba ho aiza moa?
Ianao ‘lay nolaviny no tojo azy teo
Nitanondrika izy e! Fa resy izy eee!

3) Dia iny izy fa lasa, nanao tari-dositra
Nandositra ny tavanao fa menatra izy e!
Tsy sahy nitodika hiantsoantso hoe: « VONJEO »
Ditsoka izy e! Mifona Izy e!

« Ho mpamindra fo ianareo »
Chœurs : Ho mpamindra fo….
Na mena toy ny jaky ny hatezeranao
Na mavesatra aok’izany ny haviniranao
(Mba toa anao izy e! diso izy e!) Bis
Na opa na ozona, na kapoka na ratra
Na inona na inona hadisoana izay nataony
(Mba toa anao izy e! Mpanota izy e!) Bis

A/C: Nirina RANOELISON (Ni)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)
Vangy : 20
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : 586b
Daty : 04/02/2026 09:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0995