Avelao aho hitia Anao (APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô! Matoky ny famindram-ponao ahoKoa ampianaro mba hanahaka Anao
Efa nolalovako avokoa ireo karazana fisedrana
Dia ny rivotra izay nifofofofo mafy
Sy ny onjan-drano nisamboaravoara
Fa ity aho mbola mijoro eto hatrany
Noho ny famindram-ponao
Tena mamiko ny miaraka Aminao
Satria Ianao Andriamanitra Antra sy miaro ahy
Jesoa ô! Matoky Anao aho
Fa tsy misy tsy vitanao
Koa avelao aho hiankina, hifikitra Aminao
Tsy hiala eo ankaikinao, hiantahanta Aminao
Avelao aho hitia Anao, hitia Anao
Hatr@ fofon’aiko
Tompo ô! Tiako Ianao
Ianao Tompo ô! No tanjako sy heriko
Tsy mbola nanenina aho raha niaraka taminao
Tsapako btokoa ny fitiavanao ahy e !
Ny fitiavanao anay ……
Toy ny jamba aho ka tsy mahita izay lala-kombana
Ianao Tompo ô! No tokiko
Ka ny faniriako hiara-dalana Aminao
Ka Ianao Jesoa no mitantana ahy
A/C : Ni RANOELISON
Nampiditra: Lee Tsiry Belouh
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)Vangy : 132
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : 586b
Daty : 17/03/2026 15:15
