Manantena hatrany (APFM - Amboaram-Peo Feon'ny Miantso)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na sarotra aza Ray
Ny lalan-kalehako
Na mideza aza izay ho diaviko
Na ora-mikija, na koa anavandra
Na rivotra hifofo no mahazo ahy
Tsy ho kivy aho, tsy hiverin-dalana

Manantena Anao ry Tompo
F'ianao no hiaro ahy
F'izay ao Aminao dia tsy ho kivy
Fa manantena hatrany Ray

Na irery aza aho, na ory koa
Manantena hatrany
Fa ilay tananao no hatsotranao
Mba ho anjarako

Manantena hatrany...


APFM - STK Filadelfia
A/C: Misarivo RAKOTOARIVELO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : APFM - Amboaram-Peo Feon'ny Miantso
Vangy : 213
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : NaxProd
Daty : 28/02/2023 08:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738